- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Roa lahy tratra nivarotra « cocaine »

67ha : Roa lahy tratra nivarotra « cocaine »

Miparitaka ! Tsy marina intsony ny filazana fa hoe natokana ho an’ireo olona manambola ny fivarotana sy ny fandraisana ireo rongony mahery vaika, toy ny « cocaine » sy ny  « heroine ». Efa tena miparitaka izay tsy izy ireto rongony ireto, indrindra fa eny amin’ireo faritra be olona, toy ny eny amin’iny faritra 67ha iny. Efa fantatry ny eo anivon’ny mpitandro filaminana izany, ary tsy tapaka ny fisafoana eny amin’iny faritra iny andro aman’alina. Tao anatin’izay indrindra, ny alatsinainy lasa teo dia roa lahy efa fanta-daza eny an-toerana fa mpamatsy sy mpivarotra rongony eny amin’iny faritra iny no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito. Nanomboka tany amin’ny famatsiana ireo rongony maina izy ireo ary niakatrakatra tamin’ny avo kokoa taty aoriana. Rehefa nisy ny fanaraha-maso sy ny fitsongoana dia nataon’ireo mpitandro filaminana dia napetraka ny vela-pandrika. Efa fantatra rahateo ny toerana nahitàna azy ireo. Teo am-pivarotana rongony mihitsy araka izany no voapaingotry ny pôlisy nanao fanamiana sivily ireto roalahy ireto. Rehefa nosavaina dia mbola nahitàna rongony mahery vaika « cocaine » maromaro tany amin’izy ireo. Raha ny endrika ivelany tokoa dia tsy azo inoana velively ho mpivarotra rongony mahery vaika ry zalahy ireto, raha raisina amin’ny petra-kevitra hoe lafovidy ny iray grama monja amin’izany rongony izany. Azo eritreretina araka izany fa na misy lehibe maniraka sy mpamatsy ry zalahy ireto, na iray tarika ao anatin’ny tambajotran’olon-dratsy, mpanaparitaka rongony mahery vaika, toy ireny any am-pitandranomasina ireny. Teo no ho eo ihany moa dia nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy ry zalahy. Notazomina natao andrimaso tao sy hanaovana fanadihadiana, izay heverina fa hitondra any amin’ny fisamborana ny trondro vaventy amin’ny fanafarana ireny rongony mahery vaika ireny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici