Nirongatra indray tato ho ato izay, ny fanafihana taxi. Na io ny mpamily no lasibatra na ny mpandeha ao anatiny. Nitrangan’ izany fanafihana izany teny amin’ny faritra 67ha iny, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fantatra dia teratany afrikana iray, tao anaty taxi no notafihana jiolahy telo lahy mitana basy. Voalazan’ilay mpamily fa, raha mbola tao anaty « embouteillage » izy no nipoitra tampoka avy any ny bandy telo. Avy hatrany dia basy no niantrana teo amin’ilay mpamily, ka tsy afa-nanohitra intsony izy . Nambanan’ireo olon-dratsy basy ihany koa ilay afrikana mpandeha nipetraka tao aoriana. Lasa tamin’izany ny finday telo, antontan-taratasy isan-karazany, niaraka tamin’ny vola. Nisy sakaosy kely ihany koa teny amin’ilay mpamily ary efa nosintoninin’ireo jiolahy. Namaly anefa ilay mpamily fa tsy misy afa-tsy taratasin’ny fiara no tao anatiny, koa dia navelan’ireo olon-dratsy. Nitsoaka avy hatrany ireto farany vao nahavita ny asa ratsiny. Tetsy ankilan’izay kosa anefa, nametraka fitoriana ilay teratany vahiny ary voatory niaraka tamin’izay ilay mpamily, nolazainy ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpangalatra. Efa eny an-tànan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.
m.L