- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Tompon’andraikitry ny boriborintany voaendaka

67ha : Tompon’andraikitry ny boriborintany voaendaka

N’iza n’iza tokoa amin’izao fotoana izao, dia mety ho lasibatry ny asan-jiolahy avokoa. Toy ity nitranga tetsy amin’ny faritra 67ha ity, ny talata hariva lasa teo. Tompon’andraikitra iray amina boriborintany iray eto Andrenivohitra no sendra an’ireo tontakely, raha sendra taraiky tao anaty fitohanana iny ny fiara nentiny. Araka ny fantatra dia telolahy izy ireo no nanendaka an’ity fiara ity tamin’io fotoana io. Lasan’izy ireo tamin’izany, raha ny fantatra teny an-toerana hatrany ny sakôsy iray; izay toa hoe nisy vola sy antontan-taratasy maromaro.

Fa tetsy andanin’izay, tovolahy iray, efa mpanendaka rain-dahiny amin’iny faritra iny,  antsoina hoe Day no vosambotry ny pôlisy teny an-toerana, teny amin’iny faritra Antohomadinika iny, ny talata lasa teo ihany koa. Araka ny fampitam-baovao azo amin’ny pôlisy, dia teo am-panendahana findain’olona tao anaty taxi ny lehilahy no tsikaritr’ireo mpitandro filaminana nanao fisafoana, teo akaikin’ny toerana fiatoan’ny fiara avy any Mahitsy. Na izany aza, nitsoaka ranamana raha vao nahita iretsy farany ka nifanenjahana tanaty lakandrano. Tratra teny Antsalovana teny ihany anefa ity mpanendaka ity ary niaiky tanteraka ny heloka nataony. « Tamin’ny famotorana natao azy no nahalalana, fa efa mpanendaka sy mpanao sinto-mahery eny amin’iny toerana iny izy ity, satria efa nigadra herintaona teny Antanimora, ny taona 2014 tamin’ny resaka sinto-mahery ihany » hoy ny vaovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici