Tovolahy iray vao 17taona monja indray no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarin’ny boriborintany fahafito teny 67ha, ampitan’ny tranoben’ny orinasam-piantohana iray, ny faran’ny herinandro teo. Niainga tamin’ny fitarainana nataona tovovavy roa niharan’ny fanendahana teny 67ha Atsimo, ny fikarohana nataon’ireo pôlisy. Tamin’iny herinandro iny mantsy, dia lasibatry ny andiana mpanendaka maromaro ireto tovovavy ireo ka lasa tamin’izany ny vola mitentina roa hetsy ariary teo ho eo. Tonga nitaraina avy hatrany tany amin’ny pôlisy ireto farany ka tsy niandry ela, fa andro vitsy taorian’io dia voasambotra ilay tovolahy tompon’antoka, rehefa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo mponina manodidina. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany, raha ny loharanom-baovao azo.
Efa tsy zoviana amin’ny maro tokoa, fa isan’ny faritra mena midorehitra amin’ny tsy fandriampahalemana, indrindra fa ny fanendahana, iny faritra 67ha iny. Raha vao manomboka mirotsaka fotsiny ny haizina, dia efa tsy atokisana loatra intsony ny làlana, na ho an’ireo mpandeha tongotra io na ho an’ireo mpitondra fiara. Izay indrindra no nahatonga ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena nametraka paik’ady manokana hitiliana ireo mpanao ratsy. Anisan’ireo ity tovolahy ity, izay efa ela no karohana ary efa mpamerin-keloka sy gadralava amin’ity asa ratsy ity.
m.L