- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Tra-tehaka teo am-panapahana andrin-jiro misy « panneau solaire »

67ha : Tra-tehaka teo am-panapahana andrin-jiro misy « panneau solaire »

« Lame de scie » iray no sarona tany aminy. Fitaovana izay entina manapaka sy mananjera ireo andrin-jiro, manazava amin’iny lalan’i Rocade etsy Andohatapenaka iny, hangalàna hany monja ireo « panneau solaire » mampirehitra ireo jiro eny amin’ny lalana.

Lehilahy iray tokony ho 47 taona no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, eny 67ha, ny talata teo. Nosamborina noho ny fangalarana ireo « panneau solaire » amin’ireo andrin-jiro eny amin’iny  faritra iny ity lehilahy ity. Araka ny fampitam-baovao azo dia ny alina tokony ho tamin’ny 12 ora no nahazo antso ireo pôlisy ny amin’ny fisiana lehilahy nampiahiahy eo ambody « poteau », tsy lavitry ny « gare routière Makis ». Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, ka nahatsikaritra ity lehilahy ity tokoa, mikikikiky ny vodin’ilay andrin-jiro. Nanatona avy hatrany moa, kanjo nitsoaka raha vao nahita ireto pôlisy. Raikitra teo ny fifanenjehana saingy tsy lasa lavitra dia voasambotra. Raha ny hitan’ireo mpitandro filaminana dia efa kely sisa tsy tapak’ity rangahy ity ilay andrin-jiro lehibe. Ny tanjony amin’izany dia haka ireo « panneau solaire », mamatsy herinaratra ireo jiro. Ireny « lame de scie à metaux » no ampiasainy hanaovany ny asa ratsiny. Nentina avy hatrany tany amin’ny birao moa ingahirainy atao famotorana. Azo antoka fa fanimbàna fananana iombonana sy halatra no hanenjehana azy.

Mampalaelo tokoa ny mahita ny zava-misy eny amin’iny faritra iny, indrindra fa amin’iny lalan’i Digue, manomboka any Andranomena, ka hatrany Anosizato. Miha-foana tsikelikely ireo « panneau solaire », ka zary lasa andri-jiro tsy misy jiro sisa no tazana. Na dia eo tokoa aza ny ezaka ataon’ireo mpitondra hanatsaràna ireo foto-drafitrasa iombonana, rehefa ny olona entina mihitsy no tsy misy saina, tahak’ity rangahy ity, dia ny eo ihany no eo. Tsy atao mahagaga araka izany raha manjaka izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana, raha vao manomboka maizina ny andro, amin’ireo toerana ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici