Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika sy ny firongatr’ireo tanora mandray azy, izay antony mampitombo be ihany koa ny tsy fandriam-pahelamana etsy andanin’izay dia tsy mitsahatra ny mikaroka paikady hiadiana amin’izay ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Teny amin’iny faritra 67ha iny dia fantatra fa « manohy hatrany ny hetsika manokana izay efa notanterahiny amin’ny fanaraha-maso ny fari-piadidiany manoloana ireo mpanao asa ratsy, toy ny fanaony » ny kaomisaria eny an-toerana. Tamin’ireo karazana fisafoana sy ny fijerena ny zava-nisy hatrany anaty elakelan-trano rehetra tany, izay nataon’ireo pôlisy manao fanamiana sivily no nahatratrarana tovolahy iray, 23 taona, tra-tehaka teo am-pitsindromana zava-mahadomelina, afakomaly, tetsy 67ha avaratra atsinanana. Mbola teny aminy ny « seringue », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, izay nokasainy handraisany izay rongony mahery vaika izay. Nosamborina avy hatrany moa ity lehilahy ity ary nentina natao fanadihadiana tany amin’ny birao. Tamin’izany no nahafantarana fa efa misy mpamatsy izany rongony izany mihitsy eny an-toerana ka alainy amin’ny vidiny 2500 ariary monja ny indray mitsindrona amin’ity zava-mahadomelina ity. Efa natolotra ny Fampanoavana moa ity mpitsindrona « drogue » ity taorian’ny famotorana azy. Heverina kosa fa tsy hijanona hatreo ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra, handravàna hatramin’ny fakàny ireo tompon’antoka amin’ny fanaparitahana ireny karazan-java-mahadomelina mahery vaika ireny.
m.L