- Publicité SW45 -
dimanche, juin 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67HA : Tratrany nampirafy ny vadiny, notrobarany tavoahangy ny kibony

67HA : Tratrany nampirafy ny vadiny, notrobarany tavoahangy ny kibony

Lehilahy iray sahabo ho 50 taona efa mamomamon’ny galeoka no namono tena, noho ny fahadisoam-panantenana, ny harivan’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, tetsy Antetezana Afovoany 67 ha Atsimo. Notrobarany tamin’ny tavoahangy « Dzama bota » teny an-tanany novakiany tamin’ny sisin-drindrina ny kibony, ka nifatsitsitra ny rà. Saika mbola hamerina fihetsika feno herisetra faharoa tamin’ny tenany izy; izay hanatsatoka ilay tavoahangy teo amin’ny tendany no nalaky voasakana, raha tsy izany dia zava-doza no nitranga. Raha ny fanazavana azo dia tratran-drangahy nampirafy sy nangalam-pitia tamina lehilahy hafa ramatoa vadiny izay mbola 28 taona monja, niterahany roa. Nezahina nentina tany amin’ny mpitsabo haingana, ka izy efa nihosin-drà sady nimenomenona teo amoron-dalana ampitan’ny « arrêt 30 » nitazona ny kibony amin’ny lamba efa tonta niandry fiarakaretsaka no nanaitra ny mason’ireo sendra nandalo teo.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser