Tsy ny lehilahy amin’izao no mirotsaka amin’ity fanendahana miharo vono ity fa na hatramin’ny vehivavy ihany koa aza. Toy izay tratra tetsy 67ha ny alatsinainy teo.
Tovovavy iray no lasibatra ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fampitam-baovao azo, dia tonga nanatona azy ity vehivavy mpanendaka ity, izay mody nilaza taminy fa tsy mahita lalana. Niangavy taminy izy ny mba hitondra sy hanatitra azy eny amin’ny Paositra 67ha. Nanaiky an-kitsim-po ity tovovavy ity ary dia niaraka teny izy roa. Teny an-dalana indray anefa, dia nilaza ilay mpanendaka fa hoe hadinony any amin’ny mpampiasa azy ny paoketrany ka niangavy fanindroany an’ity tovovavy ity izy mba hiaraka haka izany any. Mbola nataony fialana ihany moa ilay hoe tsy mahita lalana ary milaza fa very tanteraka eo 67ha ny tenany. Nanaiky hatrany moa ity tovovavy. Kanjo nony tafiditra elakelan-trano sy mangingina izy roa vavy no avy hatrany dia daroka be no nihatra tamin’ilay tovovavy. Raha iny izy mbola tsy nahatsiaro tena iny no nohararaotin’ity olon-dratsy nendahina. Lasa tamin’izany ny peratra volamena roa sy peratra volafotsy iray.
Ny alatsinainy teo no hitan’ity tovovavy ity nijorojoro teny an-toerana ity vehivavy mpanendaka ity. Angamba mety ho niandry izay ho hazany manaraka indray. Niantso avy hatrany pôlisy teo akaiky teo ity tovovavy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany ary nosamborina ilay mpanendaka. Rehefa nentina natao famotorana ity farany, dia niaiky tanteraka fa efa mpanendaka tokoa ary ireo mpiantsena sy mpianatra mandalo eny an-toerana no tena ataony lasibatra. Omaly moa ity ramatoa ity no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary naiditra am-ponja vonjimaika.
m.L