Ny 29 martsa teo no saron’ny polisy misahana ny heloka be vava, teny amin’ny 67 Ha, ny lehilahy iray 27 taona antsoina hoe Bryan. Efa ny 9 martsa teo izy ity no niditra tao amin’ny toeram-pisakafoanana iray tetsy amin’ny 67 ha ka tsy nivoaka tao intsony fa dia niorim-ponenana tao. Nampitahoriny ilay ramatoa tao ka nilazany fa “inspecteur de police” izy ary dia voara-masony hatrany izay halehan’ity ramatoa ity. Rehefa mankany an-tsena dia tsy maintsy manaraka hatrany ity tovolahy. Nandritra izany moa dia afa-nandeha ihany koa ny fanolanana ary efa nafaparan’ity mpisandoka tsy hitantara na amin’iza na amin’iza. Nitantara ilay vehivavy fa nataony tany amin’ny fitombenany izany zavatra izany.
Ny sabotsy teo anefa dia tsy hay ny nahazo ity lehilahy fa nijanona tao an-trano izy ka ilay ramatoa irery no nandeha niantsena. Teo no nitsiry ny hevitra ka nanatona ny polisy misahana ny heloka be vava ity ramatoa ka nitantara ny zava-nanjo azy nandritra izay roapolo andro izay. Avy hatrany dia natao ny fisamborana ka nanaiky ny heloka nataony ity tovolahy.Tokony ho mailomailo ihany fa tsy kely lalana tokoa ny ratsy amin’izao fotoana izao ary tena mampiasa teti-dratsy amin’izay zavatra kasainy hatao.
Avy hatrany dia natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy maraina moa ity tovolahy nahavanon-doza ity
ALEM