Zazalahy kely 12 taona miisa roa no lasibatra, tetsy amina elakelan-trano iray tetsy 67ha, raha iny handeha hody iny, ny sabotsy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia firavaka rojo volafotsy, misy vatosoa mitentina eo amin’ny 480,000 ariary teo ho eo. Ankevitry ny efa fantampatatr’ireto olon-dratsy angamba ny fisian’io firavaka io teny amin’ireto ankizilahy ireto. Antoandro be nanahary mihitsy no nanaovan’ireto mpanendaka ireto ny asa ratsiny, rehefa hitany fa izy roa lahy ireto fotsiny no nandeha nihazo ilay elakelan-trano. Roa lahy ireo mpanendaka raha ny vaovao hatrany ary avy hatrany dia nibahana azy roa lahy kely ireto ary nanendaka ilay firavaka volafotsy teny amin’ny iray tamin’izy ireo. Nirifitra nitsoaka avy hatrany rehefa azony izay nilainy. Tetsy andanin’izay kosa dia nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ireo zaza voaendaka. Nanao ny fikarohana izay mety ho nanao ny asa ratsy ny pôlisy ka tsy ela dia fantatra ny toeram-ponenan’ny iray tamin’ireo mpanendaka, izay tsy aiza fa teo amin’ny Cité 67ha, akaikin’ny Parking. Noraisim-potsiny tao moa ny anao lahy ary vao mainka nibaradaka ny heloka nataony rehefa tratran’ny fanontanian’ireo mpanao fanadihadiana. Nambarany kosa fa etsy tsy any aminy intsony ilay firavaka fa ilay namany niaraka nanendaka taminy no nitondra izany. Raha ny angom-baovao hatrany dia mbola eo an-dalam-pikarohana ity farany ireo mpitandro filaminana. Omaly moa ity tovolahy 18 taona, mpanendaka ankizy ity natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary heverina fa nadoboka am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L