- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Zazavavikely namoy ny ainy, nipoahan’ny herinaratra

67ha : Zazavavikely namoy ny ainy, nipoahan’ny herinaratra

Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay nanjo an’ireto zazavavikely 4 taona sy 6 taona ireto. Ny zavatra nipoaka mafy no nanaitra ireo mponina teny amin’ny manodidina. Rehefa nojerena dia efa vatana mangatsiakana ankizivavy kely iray no mitsarara eny amin’ny tany, naratra mafy kosa ilay zokiny iray. Zava-nitranga teny amin’ny faritra 67ha iny izany, ny alakamisy hariva lasa teo. Raha ny fanazavana azo dia izy roa vavy irery no tao an-trano. Mpirahavavy izy ireo, raha ny vaovao voaray hatrany. Raha ny filazan’ireo teny amin’ny manodidina dia fipoahan’ny herinaratra tao an-trano no nahatonga izao zava-doza izao. Mety hoe nilalao ka sendra nikitika tsy nahy « prise » ohatra ary niteraka « court-circuit » avy eo. Etsy ankilan’izay ihany koa anefa dia mandeha ny feo fa nilatsahan’ny tariby mpitondra herinaratra mahery vaika izy ireo. Mafy dia mafy mantsy ny fipoahana ka nanaitra ireo teny an-toerana. Toa efa tsy nisy aina intsony vokatr’izay loza tsy nahy izay ilay ankizivavy kely efa-taona. Voa mafy teo amin’ny tongony sy ny ilan-kibony kosa ilay zokiny enin-taona. Nifanome tanana avy hatrany ireo fokonolona nitondra ireto mpirarahavavy ireto nankeny amin’ny toeram-pitsaboana, saingy indrisy fa efa tsy azo natao intsony ilay zandriny, mbola manaraka fitsaboana kosa ilay iray naratra mafy. Mila fitandremana tsara mihitsy amin’izao ny resaka herinaratra, indrindra fa amin’ity fotoam-pahavaratra ity, izay mampijojo ny orana sy ny fisian’ny varatra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser