- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers7ha : Mpitondra moto roa nitondra basy nosamborina

7ha : Mpitondra moto roa nitondra basy nosamborina

Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina no raikitra ny fisamborana tetsy 67ha, tsy mifanalavitra amin’ny toeram-pivarotan-tsolika Jovenna. Roa lahy izay samy nitondra moto iray avy no narahin’ny polisy, izay manao fanamiana sivily ny sasany, ary nandeha moto koa. Nosakanana tampoka ny làlan’ireo roa lahy ary avy hatrany dia nambanana basy mba hampijanona ny kodiara-droa avy hatrany, ary nidaboka tamin’ny tany. Tsy nampoizin’ireo ny zava-nitranga ary ny basy rahateo mbola tao ambanin’ny seza moto. Tsy afa-nanoatra na nanohitra fa avy hatrany dia nidaboka tamin’ny tany ary nofatorana rojovy. Variana ny olona raha nahita ny zava-nitranga. Tao anatin’ny ora izay maro mpivezivezy rahateo izany ary eo amin’ny faritra be olona no nitranga ny fisamborana. Raha ny fanazavana fohy azo tamin’ny polisy dia efa nanaovana fanarahan-dia izy roa lahy ireo rehefa ahiana ho olon-dratsy. Inona tokoa fa nahitàna fitaovam-piadiana niaraka tamin’ireo. Omaly ihany dia natomboka ny fanadihadiana azy roa lahy ary isan’ny nohamarinina voalohany ny fisian’ny taratasim-basy na tsia. Ny polisy rahateo matoa nanaraka dia azo heverina fa efa fenofeno ny vaovaon’izy ireo mahakasika ireo olona. Raha ny tsilian-tsofina re dia efa teo am-panomanana fanafihana mitam-piadiana ireo roa lahy io voasambotra tampoka io. Nandeha ny feo omaly fa ireny mpanao taxi-moto ireny izy ireo. Mbola andrasana anefa ny fanampim-baovaon’ny polisy momba izany. Tsy mbola voamarina izany satria mbola vao nisokatra ny fanadihadiana. Na izany aza dia tsikaritra fa saika nandeha moto hatrany ny jiolahy nanatontosa fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra. Ny akaiky indrindra tamin’izany no sady nampivarahotsana dia ilay tetsy Avaradoha izay nitifiran’ny efa-dahy ho faty ny renim-pianakaviana iray tompon’ny toeram-pivarotana entana amin’ny ambongadiny. Tsy vitan’izay aza fa mbola notifirin’ireo koa ny mpiasa tao anatiny. Voamarin’ny sarin’ny caméra fa nandeha moto ireo olon-dratsy rehefa nitsoaka. Mailo tanteraka amin’ny mpitaingina kodiaran-droa ankehitriny ny mpitandro ny filaminana. Maro koa anefa ny olon-tsotra no mampiasa azy ireny mba hialàna amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary tsy tokony hatao safobematsina ny mpitaingina rehetra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici