Tratra ny nafenina ! Nanomboka nipoitra tamina tambajotra sosialy iray ity horonantsary ity, nanomboka tamin’iny voloahandohan’ny volana iny teo. Horonantsary mamoafady izay ahitana mazava ny endrika lehilahy iray diso fantatry ny maro loatra ao an-drenivohitr’i Bongolava ao. Araka ny fantatra, dia filohana fikambanana tanora amina fiangonana lehibe iray ao an-toerana ny tenany. Vetivety dia niparitaka sy nalaza tao anaty « internet » ity filma « pôrnô » nolalaovin-dranamana ity. Tetsy andanin’izay kosa anefa, nanaiky tsara ny zavatra nataony Ingahy mpitarika tanora, izay nilaza fa nataony ilay horonantsary fa tsy neritreretiny velively haparitaka. Ary ny somary nanaitra ny rehetra dia izy indray no nametraka fitoriana voalohany ho ana olona tsy fantatra, tany amin’ny mpitandro filaminana. Raha ny zava-nitranga mantsy, hoy ny vaovao azo, dia very teo am-pivoriana niaraka tamin’ireo tanora nentiny, ny solosain’Ingahy Filoha, ny taona 2015. Tsy mbola hita hatreto io solosaina io. Ny fantatra anefa dia tao anatin’io solosaina very io no nisy ity horonantsary mamoafady nahitana azy ity. Nametraka fitarainana avy hatrany Ingahy. Izay nanaparitaka izay mantsy, araka ny eritreriny no nangalatra ilay solosaina. Nisy mihitsy aza ireo olona nahiahiany, izay avy hatrany dia nantsoina teny amin’ny biraon’ny pôlisy ny herinandro teo. Olona telo izy ireo, nahitana mpiangona sy ireo mpivarotra ireny kapila mangirana ireny. Tsy nahitana porofo na dia kely aza izy ireo mahakasika izay zavatra izay, hoy ny fanazavana azo. Amin’izao kosa, dia miezaka ny mamantatra ilay vehivavy miaraka aminy ny tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana, raha ny loharanom-baovao azo. Maro ireo tohina tamin’ity trangan-javatra niseho tao Tsiroanomandidy ity. Raha ny olona nitokian’ny rehetra hitondra môdely ho an’ireo tanora tokoa moa no manao izao zavatra izao. Toa mampametra-panotaniana ihany, hoy ny maro ny amin’ireo tanora entiny.
m.L