- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversManerinerina : Rongony 17 kg, natao toy ny anana tratra tanaty taxi-brousse

Manerinerina : Rongony 17 kg, natao toy ny anana tratra tanaty taxi-brousse

Eo anatrehan’ny tsy filaminana sy ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina dia nisy ny hetsika nataon’ireo mpitandro filaminana ny amin’ny fisavàna ireo taxi-brousse rehetra mandalo amin’iny faritra Manerinerina, distrikan’Ambato-Boeny iny. Tamin’izany indrindra aza no sarona tamina taxi-brousse iray, avy any Antsohihy ho any an-drenivohitr’i Boina, ny rongony milanja 17 kilao nentin’ny tovolahy iray 22 taona, tamin’iny herinandro iny. Nentiny tamin’izao toy ireny anana amidy eny an-tsena ireny ireto zava-mahadomelina ireto tamin’io fotoana io. Asa na efa zatra ny lalan-dririnina angamba Ingahy tamin’io fotoana io ka tsy nisalasala mihitsy nilonjitra an’ireto rongony tanaty fiara fitateram-bahoaka. Fa ankoatr’izay, paraky gasy nilanja 74 kilao ihany koa tra-tehaky ny zandary, tamin’ny fisavàna ihany, tao amin’io toerana io, tanaty taxi-brousse, hitodi-doha aty Atsimo. Tamin’ity indray mitoraka ity indray dia efa raim-pianakaviana 64 taona no voasambotra. Nogiazana avy hatrany moa ireo zava-mahadomelina iireto : hodorana ireto rongony ireto, ary omena ny Sampan-draharaha misahana ny paraky kosa ilay paraky gasy. Izy roalahy kosa raha ny fantatra dia entina eo anivon’ny Fampanoavana aorian’ny famotorana. Nampidirina « fourrière » kosa ireto fiara fitateram-bahoaka nitondra zava-mahadomelina ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici