Efa ela no nahitana vola sandoka 10.000 ariary niparitaka teto Toamasina, ka ireo mpamily Tuc-Tuc sy ireo mpanao karaoke ary ireo trano fisotroana misokatra alina no tena lasibatra tamin’izany. Nanomboka teo ny fanaraha-maso ny zava-nisy ary nody ventiny ny ezaka natao, ny 20 desambra teo.
Ny talata 20 desambra io raha naharay antso fa misy vola tsy mazava nentin’ireto olona roa lahy, dia ingahy Hendrix sy Sylvio, raha saika hampidritra izany ao anaty finday teo anivon’ity “Money-Banking” tao Mangarano. Vao tonga ny mpitandro ny filaminana teo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava, ary nisava ireto vola 10.000 ariary mitetina 4,1 tapitrisa ariary, dia hita tamin’izany fa sandoka ireto vola ary saika hodiovina tamin’ny alalan’ny “Money-Banking” alohan’ny hifampizarana azy. Tena vitan’ireto tambajotra ireto dika mitovy mihitsy ny vola 10.000 ariary ity, na eo amin’ny lokony na amin’ireo pitsopitsony samy hafa, ny eo amin’ny laharan’ny vola no saika nitovy avokoa.
“Deba be”. Nambaran’izy roa lahy tratra ambodiomby ireto fa vola azaon’izy ireo taman’olona avy nivarotra jirofo ireto vola sandoka maro be ireto. Raha ny fanazavan’ny kaomisera Gerverin Raelison, mitantana ny polisy misahana ny heloka be vava Toamasina, dia irakiraka fotsiny ireto roa lahy tratra ambodiomby ireto, fa misy “deba be” manarama azy ireo any ambadika any, izay atao ankisasaka ny vola hifampizara aorian’ny fanadiovana azy amin’ireo “Money-Banking”, ka eo am-panaraha-maso azy ireo ny polisy izao izay efa ahitana mangirana ny mikasika izany amin’izao fotoana izao.
Entaniny vokatra izany ireo mpivarotra sy ireo orinasam-pifandraisana mikirakira ny ara-bola ary ireo miasa tena amin’ny sehatry ny varotra, mba hanamarina tsara ireo vola voarainy fa tsy kely lalana ny mpanao ratsy, fotoana fanararaotan’ireo jiolahy ny vanim-potoan’ny fety tahaka izao.
Malala Didier