#- Nosy Be. Teratany Frantsay voatafika, vola 5 tapitrisa ariary no lasa. Lehilahy teratany Frantsay iray, tompon’ orinasa fanamboarana sambokely haingam-pandeha iray no notafihana 10 lahy mirongo basy sy antsy lava tao an-tranony, ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 alina. Norahonan’ireto farany hanokatra ny « coffre fort » ity vazaha ity tamin’io fotoana. Noho ny tahotra dia nanaiky izay tenin’ireo olon-dratsy ity farany. Vokany, vola mitentina 5 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy. Tsy nokasihan’ireo jiolahy kosa ity lehilahy ity. Efa mandeha moa ny famotorana.
#- Mangabe, Maevatanana. Hiakatra Fampanoavana anio io voasambotra. Olona 12 no nosamborin’ny mpitandro filaminana taorian’ilay sakoroka niseho tao Mangabe, Maevatanana ny herinandro lasa teo. Araka ny fantatra, dia anio no hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana ireto olona voarohirohy ireto. Tsiahivina fa nitrangana savorovoro tany an-toerana ny herinandro lasa teo, noho ny resaka fifandirana amina resaka tany izay hifandroritan’ny fokonolona sy ny mpandraharaha iray. Savorovoro izay voatery nidiran’ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikim-panjakana tany an-toerana.
Nangonin’i m.L