- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversIvato Aéroport : Rangahy hita faty

Ivato Aéroport : Rangahy hita faty

Mbola tsy tapitra akory ny tontolo andron’ny noely dia fatin’olona iray sahady no nitsirara hitan’ny mponina teny amin’ny Kaominina Ivato Aéroport  faritra faha efatra, tranga izay tsy dia fahita matetika raha Ivato no asiana resaka.  Tamin’ny roa ora sy dimy ambin’ny roapolo minitra hariva dia rangahy iray mananika ny  faha 39 taonany no hita faty ny alahady lasa teo. Araka  ny fahitana ny razana dia noho ny toaka no  nitarika izao fahafatesana izao. Nentin’ny hamamoana be loatra ity rangahy iray ity ka tsy nahatsiaro  intsony izay hampiditra sakafo ao am-bava. Vao nahare ity vaovao ratsy ity ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana dia nidina avy hatrany nijery ny zava-misy.  Tsy ny zandary ihany anefa no tonga nitsirika fa narahina mpitsabo ihany  koa nanampy tamin’ny fizahana sy ny famotorana. Taorinan’izany dia voamarina tokoa ary fa ny toaka be loatra nosotroina no nahafaty an’ilay rangahy.

Kanto R(Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici