- Publicité -
lundi, septembre 22, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Dahalo telo matin’ny fitsaram-bahoaka sy voatifitra

Morondava : Dahalo telo matin’ny fitsaram-bahoaka sy voatifitra

Dahalo telo mpampihorohoro tanàna sy vahoaka no maty lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny iray, raha matin’ny fokonolona tamin’ny alàlan’ny fitsaram-bahoaka ny roa voasambotra, afak’omaly alina, tany Morondava. Raha ny fantatra dia dahalo fitolahy no nanafika toeram-pivarotana iray tao Namahora Sud Morondava, ny harivan’ny 25 desambra teo nandritra ny fetin’ny krismasy, tokony ho tamin’ny 8 ora sy fahefany. Tao anaty sakoroka dia tafatsoaka ny efatra tamin’ireo malaso, ka mbola karohina hatramin’izao. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia efa telo andro ireto andian-dahalo ireto no nandroba tamina fokontany maro tao an-tampon-tanànan’ i Morondava. Tamin’ny andro fankalazana ny nahaterahan’ny mpamonjy, tsy nandaitra intsony angamba ny moara ody gasy maherin’ireo dahalo ka tra-tehaka ny asa ratsin’izy ireo sady namoy ainy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici