- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

# – 67 Ha. Mpitandro filaminan nanapoaka basy, nosamborina. Nirefotra ny basy ary taitra avokoa ny mponina teny amin’ny 67 Ha, ny talata maraina be tokony ho tamin’ny 2 ora. Nantsoina ny polisy avy ao Tsaralalana ka rehefa teny an-toerana dia nahita fa mpitandro filaminana avy eny Ivato io nanapoaka basy io. Voalazan’ny vaovao, fa mamo ity farany ity niaraka tamin’ olona roa hafa. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy. Ny maraina anefa, ny namany no naka azy tany. Izany dia noho ny fifanarahana misy eo amin’ny samy mpitandro filaminana. Tsy fantatra moa ny antony nahatonga azy nanapoaka ny basy teny aminy.

# – Ankazomanga. Rongony 1, 250 kg tratra. Lehilahy iray no nahatrarana rongony hatrany amin’ny 1,250 kg, teny amin’ny faritr’ Ankazomanga, ny 27 desambra maraina. Nahazo vaovao ny polisy ny amin’ny fisiana olona mitondra rongony. Nandeha teny an-toerana ry zareo ka tratra ny lehilahy iray 40 taona niaraka tamin’ireo zava mahadomelina ireo. Rehefa nohadihadiana izy, dia fantatra fa sady mivarotra no mifoka ity lehilahy ity. Eny Ambohimanarina izy no mividy rongony 100 000 ariary, avy eo tsinjarainy amin’ny fonosana ary amidiny 1 000 ariary izany. Natolotra ny fitsarana, omaly ity olona ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici