dimanche, avril 27, 2025
AccueilFaits-DiversDRH sandoka : Mitombo ihany ny mpitory

DRH sandoka : Mitombo ihany ny mpitory

Tsy nivalona tamin’ny fampidirana am-ponja azy akory ny fanenjehana, mitombo tsikelikely ny fitarainana mahakasika ilay tovolahy izay nisadonka DRH eo anivon’ny ministeran’ny fampianarana. Fantatra ary fa mbola misy koa olona maro izay voasolokiny ary volabe lavitra noho ny nalainy tamin’ireo te-ho mpampianatra Fram. Raha ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana dia ireo izay mikasa ny ho mpiasam-panjakana eo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana indray no nataony lasibatra. Nahazoany vola telo tapitrisa ariary ary tonga hatramin’ny efatra tapitrisa ariary aza, ireo olona maro. Tanora vao nahazo marim-pahaizana matetika no tena voany tamin’ilay asa fisolokiana. Mbola hitohy arak’izany ny fanenjehana an’ity tale sandoka eo anivon’ny ministeran’ny fampianarana ity. Naiditra am-ponja vonjimaika izy ny alatsinainy teo rehefa notorian’ny tale izay nisandohany andraikitra. Izany fitoriana izany no nitarika ny pôlisy nanao velam-pandrika tamin’ny fisamborana azy ary mbola nahitàna “badge”, fitombokase ary dosie maro tao an-tranony. Voamarina ihany koa fa tena mpampianatra amin’ny lycée iray io tovolahy io. Izany rahateo no nampitombo ny fahatokisan’ny olona taminy. Saingy hay fisolokiana avokoa ny tao ambadik’izany ary tena nahazo volabe. Ireo te-ho mpampianatra nangalany 100.000 ariary ka hatrami’ny 150.000 ariary ary ireo te-ho mpiasan’ny tahirimbolam-panjakana dia io efa voalaza etsy ambony io ny vola notangosany. Manamora ny asa fisolokiana toa izao ny tsy fahatokisan’ny olona intsony ny fangaharahana amin’ny fifaninana omanin’ny fanjakana. Misy ny sehatra sasany dia tsy misy afa-tsy ny mpianakavy ihany no tafiditra ao anatiny. Ny rainy sy ny zanany efatra dia mitovy asa avokoa, nefa asam-panjakana no resahina. Manazava avy hatany ny fisian’ny kiantranoantrano izany. Misy indray ny sehatra hafa izay tsy misy afa-tsy ny zanaky ny manan-katao sy ny mpanankarena ny ao anatiny, ary hita mibaribary be ety ivelany. Vokatr’izany rehetra izany dia mahita ny olona, indrindra ny tanora, fa tsy misy ho azy mihitsy ny fifaninana izay mandeha raha tsy mahafantatra olona na koa manao kolikoly. Eo no manararaotra amin’izay ny mpisoloky maro isan-karazany izay mora foana ny hahazoany vola…mandram-pahatratra azy. Porofo mivaingana amin’izany ny nataon’ity tovolahy nisandoka ho DRH ity. 

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici