- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Hasarotam-piaro, nodoran-drangahy ny trano

Sakaraha : Hasarotam-piaro, nodoran-drangahy ny trano

Trano iray no may lasa lavenona, afak’omaly hariva, tany Sakaraha. Raha ny fantatra dia mpivady samy mbola tanora no niady vokatry ny hasarotam-piarona diso tafahoatra, ny talata antoandro teo. Leo ny vono nihatra matetika taminy ramatoa ka nirintona nody tany amin’ny ray aman-dreniny niaraka tamin’ny entan-keliny sy ny zanany, ary tsy nety niverina tany an-tokantranony intsony, na dia nifona mafy aza rangahy vadiny, ary nilokaloka teo imason’ny fianakaviana ity farany fa tsy hikasi-tànana intsony. Tsy nety nody anefa ramatoa, ary nidrikina tamin’ny fanapahan-keviny, ka nody maina rangahy vadiny sady niakatr’afo. Rehefa tonga tany an-tranony izy dia niboboka toaka ary nodorany ny trano avy teo, ka hotohoton’ny afo tao avokoa ny entana rehetra. Naratra main’ny afo ihany koa ity raim-pianakaviana namoi fo nisaraham-badiny saika hamono tena, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici