- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Fikasana haka an-keriny, lehilahy iray voasambotra

Toamasina : Fikasana haka an-keriny, lehilahy iray voasambotra

Noraisim-potsiny tamin’ny zavatra nataony tamin’ity zanaka mpisolovava iray eto Toamasina ny tovolahy iray mbola tsy ampy taona, tafatsoaka kosa ny namany iray. Voalaza fa samy mbola mpianatra izy ireo.

Misy mpaniraka ireto tovolahy tsy ampy taona ireo, sa entin’ny fitiavam-bolany ka nanaonao foana? Raha ny fanazavana azo, dia efa narahan’izy roa lahy ireo maso foana isaky avy mianatra na avy manao ny zavatra ataony ivelan’ny tranon’ny ray aman-dreniny ity zanaka mpisolovava iray ao Tanamakoa Toamasina ity. Ny zoma talohan’ny fetin’ny krismasy teo, dia raikitra amin’izay ny fibedana ilay ankizy, ary noteren’izy roalahy hanome vola 20.000 ariary azy. Tsy nanana izany izy ka noharonin’izy roa lahy ny paosiny sy ny zavatra teny aminy, ka lasan’izy ireo ny findainy. Nisy nahita anefa izany ka raha nifanenjehan’ny olona izy roa lahy dia navelan’izy ireo ilay finday nangalariny. Mbola nitohy ny alatsinainy teo anefa ity fanarahan-dia zanaka mpisolovava ity, nefa nofitahin’ilay zanaka mpisolovava izy ireo ary nentiny nanonjy ny misy azy nomeny fotoana teo ivelan’ny vavahady fa izy haka ny vola tao an-trano. Teo anefa no noraisim-potsiny ny iray.

Efa eo am-pelan-tanan’ny polisy ny raharaha izao satria nametraka fitoriana ny rain’ity tovolahy zanaka mpisolovava ity. Manahy izy ireo fa misy olona ao ambadik’izao raharaha izao, nefa ny fanadihadiana ataon’ny polisy no hamantarana izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici