Tovolohay 15 taona indray no hita faty teny amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy omaly tokony tamin’ny 10 ora maraina. Nifampitaona ireto zatovolahy,indray mihira,mpiaraka matetika teo an-tanana fa andeha hilomano. Tsy niova toerana izy ireo fa dia teo amin’ilay mahazatra eny amin’ny manodidina ihanyizay dobo amin’ny tanimbary ka tsy nisy intsony ny fisalasalana sy ny fahatahorana. Tampotampoka teo anefa dia nilentika ny tovolahy iray ka nikoropaka namonjy ireto namany. Nanomboka teo ny fikarohana ka vatana tsy nisy aina intsony no natsingevan’ny rano nampiakarin’izy ireo an-tanety. Atreto aloha dia mbola tsy mazava ny tena antony niteraka ity loza ity fa mbola eo am-panatanterahana ny fandihadihana lalina ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Araka ny fitenenana hoe ny mahay milomano ihany no maty an-drano ka tokony hitandrina ny tsirairay.
Kanto R. (Stagiaire)