- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy/Tsimahafotsy – Laniera : Fiara mpitatitra mpiasa nivarina tanaty fotaka

Ambatolampy/Tsimahafotsy – Laniera : Fiara mpitatitra mpiasa nivarina tanaty fotaka

Fiara mpitatitra mpiasa ana kaompania mpitaterana an’habakabaka iray handeha hihazo ny renivohitra avy any Ivato no nivadika tanaty fotaka mandrevo ny alin’ny talata tokony t@ 07 ora hariva teny amin’ny lalana Laniera. Sarety mpitarika omby iray no nibahana ny lalana ka naka sisina ity fiara mba handroso moramora. Ratsy familiana anefa ilay nitondra ny fiara ka diso naka sisiny loatra. Vokany, nivarina taty amin’ny ilany andrefana ka fotaka nadrevorevo ritra rano nanomboka tamin’ny fanamboaran-dalana no nitsena azy tao. Olona roa no tao anatin’ny fiara tamin’ny nitrangan’ny loza : ny mpamily sy mpanamboatra fiara iray. Tsy nisy natahorana ny ain’izy ireo na dia teo aza ny fitaitainana mafy nihatra, indrindra ho an’ilay mpamily, ilay anakiray kosa dia ny tanana no tsapany ho naharary. Nihosim-potaka, simba « parabrise, parchoque, kodiarana » ilay fiara tamin’ny fotoana nakana azy. Niezaka ny mbola handroso mantsy ilay fiara na dia efa latsaka tanaty fotaka ka dia koaka tanteraka ireto kodiarana.Taorinan’ny loza dia niantso avy hatrany ny avy ao amin’ny orinasa izay nandefa mpiambina mandra-piandry ny tompon’andraikitra hisintona ny fiara ireo tra-doza izay nandeha namonjy fodiana.Ny tsy fitandremana matetika no miteraka ny lozam-piarakodia ka noho izany dia malina hatrany indrindra amin’izao akatoky ny fetin’ny faran-taona izao. Mitombo tsy mitsahatra ihany koany fitoananan’ny fifamoivoizana ka maro ireo fiara indrindra ireo mpanatitra mpiasa avy eny amin’ny faritra Ivato sy ny manodidina toy ity tra-doza ity miodina amin’ity lalana mifanila an’ny lalan’ny frankaofonia ity. Itsy farany izay nakaton’ny fanjakana nohon’ny fanamboarana mbola atao amin’ny taona ho avy.Omaly maraina tany amin’ny 8 ora no tonga teny amin’ny toerana nisy ny loza ireo mpisintona fiara.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici