- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Telolahy mpamaky trano voasambotry ny zandary

Ambohidratrimo : Telolahy mpamaky trano voasambotry ny zandary

Ny alin’ny faha-26 hifoha faha-27 desambra teo, mpamaky trano miisa telo no voasambotry ny zandary avy ao Ambohidratrimo tany amin’ny manodidina an’Alakamisy. Tratra teny amin’izy ireo ihany koa ny entana nangalariny. Io alina io, nanao ny fisafoana toy ny fanaony ny mpitandro filaminana miasa eny an-toerana. Tamin’izay indrindra no nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy ry zareo. Raikitra ny fisamborana ka tratra ny telolahy fa tafaporitsaka kosa ny iray. Efa tamin’ny 2 ora maraina tamin’izay. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa trano efatra no indray nandalovan’ireo mpangalatra ireo. Izy ireo dia lazaina hoe mpanao hala-botry. Ny trano tsy misy olona no tena lasibatra. Anisan’izany ireo fivarotana sy trano fisakafoana madinidinika tsy misy mpiambina. Ny zavatra angalariny, kojakojan-dakozia, ny entana azo bataina eo no ho eo, ohatra ny kojakojana moto.

Rehefa nohadihadiana ireo telo tratra dia fantatra fa tsy olona avy eny an-toerana fa avy eny amin’ny faritra atsimon’ny renivohitra, Tanjombato. Anio no hatolotra ny Fampanoavana izy telo ireo. Ilay tafaporitsaka kosa, karohina fatratra amin’izao fotoana izao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici