Efa nisy nahavita sahady ! Fahazoan-dàlana mamily « biometrique » sandoka no sarona sahady teny amina mpamilina taxi-brousse iray, mampitohy ny renivohitra sy ny renivohitr’Alaotra ny talata lasa teo, teny amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Fisavàna tsotra, toy ny fanaon’ireo zandary eny an-dalana no nahatratrarana ity “permis” sandoka ity, teo Ambatolampikely, kilaometatra vitsy tsy hidirana an’Ambanitsena. Olona roa, ankoatr’ilay mpamilin’ity fiara ity, sy tompon’ilay fahazoan-dalana no voatery notanana sy nanaovana fanadihadiana. Teo am-pijerena ilay karatra fahazoan-dalana mamily “biometrique ireo zandary misahana manokana ny fifamoivoizana eto Tana no somary niahiahy tamin’ilay izy. “Ny voalohany tamin’izany dia ny tsy fisian’ireo marika manokana, nanaovana ireo “permis biometrique” ho tsy azo isandohana. Manarak’izany nampiahiahy ihany koa ny sonia teo amin’ilay izy, izay Tompon’andraikitra mpanampy, avy amin’ny Ivon-toerana misahana ny laharan’ny fiara (CIM) avy any Toamasina no nanao izany” hoy ny fanazavàna nomen’ny Kômandin’ny Vondron-tobi-paritra Imerina central. Nentina tany amin’ny birao, nanaovana fanadihadiana ilay mpamily, izay nilaza fa tsy nahafantatra velively ny maha-sandoka ity karatra eny an-tanany ity. Nanaovana fizahana lalindalina ilay “permis” tamin’ny alalan’ireo fitaovana manokana famantarana ireo sandoka ka hita tokoa fa tsy izy io. Ambonin’izay, rehefa nanontaniana ny tany Toamasina dia nilaza fa mazava fa tsy manana andraikitra ny hanao sonia fahazoan-dalana mamily ny Lehibe mpanampy ity Ivon-toerana ity. Tamin’ny fanadihadiana dia nilaza ilay mpamily fa olona teny Ambohidahy no nahazoany ilay karatra. Natao ny velam-pandrika ka olona roa no sarona tamin’izany, vehivavy sy lehilahy, izay niaiky ny zavatra nataony. Ity lehilahy ity no tena tompon’antoka tanteraka tamin’ny fanontana ity “permis biometrique” sandoka ity, mpanampy azy fotsiny ilay vehivavy. Marihana fa mahafantampantatra ny ao amin’ny Ambohidahy fotsiny izy, tamin’ny fanadihadiana natao taminy fa tsy mpiasa na tompon’andraikitra ao velively tsy akory. Omaly moa izy ireo natolotra ny Fampanoavana ka nadoboka am-ponja avy hatrany ity ati-doha nikotrika izao hosoka izao, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay mpamily sy ny ilay vehivavy.
m.L