- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Tovolahy maty voatsatoka antsy nandritra ny “révéillon”

Ambanidia : Tovolahy maty voatsatoka antsy nandritra ny “révéillon”

Ankona tanteraka ny fianakaviany raha nandre ny zava-nitranga ary maloka tanteraka ho azy ireo ny taom-baovao. Manodidina ny tamin’ny sivy ora alina, tesy Ambanidia, nandritra ny fiandrasana ny taom-baovao, no nisy heloka bevava nitranga. Raha ny fanazavan’ny fianakaviana, dia niaraka tamin’ny olona  roa hafa io tovolahy niharan’ny herisetra sy vono olona io. Nisy lehilahy telo izay nila vaniny tamin’izy ireo. Voalamina ihany anefa ny disadisa rehefa nisy olon-kafa nanasaraka. Nanapa-kevitra ny samy hamonjy fodiana ireo mpinamana noho ny fisian’ilay adiady. Toy iny ilay tovolahy izay nandeha irery iny anefa no nandrasan’ireo mpila vaniny. Narahiny ary notsatohany antsy avy hatrany teo amin’ny  valahany. Nandriaka ny rà ary teo ihany dia efa ratsy ny toe-pahasalaman’ilay tovolahy izay 22 taona. Ny olona izay nahita no nitatitra azy teny amin’ny hopitaly Hjra. Ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana azy kosa nirifatra nandrositra rehefa vita ny tsatoka antsy. Natao ny fameloman’aina teny amin’ny hopitaly, saingy nandamoka izany. Niditra tany amin’ny 8 cm tao anaty vatany ny antsy nanindronana azy ary marobe ny lalandrà tapaka vokatr’izany, raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo tamin’ny fianakaviana. Nitarika ny fahafatesan’ilay tovolahy avy hatrany izany. Omaly maraina no navoaka tao amin’ny tranom-paty ny razana. Nametraka fitoriana ihany koa ny fianakaviana, teny anivon’ny brigade criminelle ary miandrandra fatratra an’izany. Ho an’ny havan’ilay tovolahy izay nodimandry dia tsy vono olona vokatry ny kisendrasendra no niseho, fa efa nomanina tanteraka. Marobe, hoy izy ireo, ny olona teny Ambanidia koa maninona ny havanay no nilàna vaniny sy novonoina? Ankoatr’izay, mbola isan’ny manamafy ny fanahian’izy ireo ihany koa ny tsy fisian’ny zavatra very teny amin’ilay tovolahy. Tsy asan-jiolahy fanendahana izany no nitranga. Izany hoe ny ainy mihitsy no nofofoina tamin’ity zava-nitranga teny Ambanidia ity. Arahina ny fivoaran’ny raharaha. 

D.R  

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici