- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : Roa lahy nitam-basy sy nanao “cagoule” nanafika

67 Ha : Roa lahy nitam-basy sy nanao “cagoule” nanafika

Efa fantatra ary efa nisy hatrany ny fampandrenesana ny amin’ny firongatry ny asan-jiolahy rehefa volana desambra. Tamin’ity tranga iray tetsy Ankasina 67 ha ity, dia efa mba mailo ihany ny tompon-trano ary nandray ny fepetra nilaina mba hisorohana amin’ny fanafihana ny tranony. Raha nivoaka tao an-toerana izy ireo, dia nasiany olona niambina ny trano, ary olona akaiky azy ihany satria ny zana-drahalahiny, izany hoe tao anatin’ny fianakaviana ihany. Tokony ho tamin’ny iray ora marainan’ ny zoma lasa teo, dia nisy roa lahy nitondra basy “pistolet automatique” niditra tao amin’ilay trano. Nanao saron-tava izy ireo ary nandrahona avy hatrany ilay tovolahy izay tao an-trano. Tsy afaka ny nanohitra rehefa nahita ny basy ary nanomboka teo amin’izay no nibata izay nilainy ireo olon-dratsy. Lasa tao anatin’ity fanafihana ity ny vola mitentina 2.5 tapitrisa ariary, ny volamena mitentina 250 grama, ny kojakojan-tokantrano maro, toy ny fahitalavitra manify.  Hatramin’ny fitaovana famakiana kapila mangirana aza dia nobatain’ireo olon-dratsy ihany koa. Nanapa-kevitra ny nampandre ny zandary mampiasa ireo alika mpitsongodia ny tompon-trano. Inona tokoa fa rehefa nandeha ny fanarahan-dia nataon’ireo biby, dia nijanona tao amin’ny trano iray tao Ankasina ihany. Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana izay nataon’ny zandary momba ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici