- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nodonin’ny kamiao ny andrin-jiro: raikitra ny fety tanaty haizina

Toamasina : Nodonin’ny kamiao ny andrin-jiro: raikitra ny fety tanaty haizina

“Tsy azo ekena ny tahaka izao, efa nanao ezaka goavana ny teknisian’ny Jirama Toamasina hiatrehan’ny rehetra ny fitsenana ny taona vaovao, ao anatin’ny tsy fisian’ny fahatapahan-jiro, nefa izao indray dia tsy fitandremana mpamily no niteraka haizina…”, hoy ny tale provensialin’ny Jirama Toamasina Veloson Leonard, izay tonga nijery ny fahavoazana tao Anjoma P/elle 23/24, ny sabotsy teo.

Nomarihany hatrany, fa “tena fahavalom-bahoaka ny fihetsika tahaka izao, satria amiko dia niniana natao izao mba hoentina indray hanenjehana ny Jirama amin’ny fahatapahan’ny herinaratra, izay efa nanomezako toky ho an’ny mpanjifan’i Toamasina fa tsy hisy intsony izany delestazy izany raha ho an’i Toamasina renivohitra”. Andrin-jiro mitondra ireny herinaratra “moyen tension” mamatsy ny fokontan’Ampasimazava, Anjoma 23’24, “cite Canada”…ary ny fokontany maromaro ao Depot, ity andrin-jiro tapaka tanteraka voadonan’ny kamiao, ny sabotsy 31 desambra tamin’ny 10ora maraina ity. Ny tena nahagaga ny rehetra, dia mbola malalaka be ny ilany havanan’ny làlana nandehan’ilay mpamily kamiao, nefa dia izao nangalatra havia izao ilay mpamily ka nandona andrin-jiro. Nanao ny ezaka rehetra ny sabotsy ihany ireo teknisian’ny Jirama nanarina ny simba, saingy adiny 5 na 6 eo ny famerenana ny herinaratra ankoatra ny mbola fametrahana andrin-jiro roa simba tamin’izao lozam-pifamoivoizana izao.

“Tsara ny fiarovana ireo andrin-jiro mpitondra herinaratra ao aminay izao, fa raha tsy izany dia nikararana ny faty olona sy ny trano may nateraky ny fitselarana teto” hoy hatrany Atoa Veloson Leonard, satria niongana tamina tranon’olona sy tao an-tokotanin’olona avokoa ireo taribin-jiro sy andrin-jiro roa tapaka vokatr’izao fandonan’ny kamiao ny andrin-jiron’ny Jirama izao…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici