- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-Divers« Réveillon » : Olona 3 maty, 3 namono tena, 70 naratran’ady

« Réveillon » : Olona 3 maty, 3 namono tena, 70 naratran’ady

Nisy ny maty, ny naratra ary ny nanapa-kevitry ny namono tena nandritry ny fetin’ny faran’ny taona. Olona 3  no maty, ny iray efa namoy ny ainy  teny an-dàlana fa ny roa ambiny kosa dia tratran’ny fahaverezan-drà be loatra vokatry ny ratra sy ny tsy fazakana toaka. Raha araka ny tarehimarika voaray teny amin’ny HJRA hatrany, marobe ny olona naratra noho ity ady an-dàlambe ity satria ny atsasaky ny naiditra hopitaly nandritra ny fetin’ny faran-taona dia vokatr’izany avokoa. Tranga nateraky ny alikaola matetika satria manararaotra misotro izany ny olona. Maro anefa no tsy mahazaka na koa misotro mihoatra ny mety, ary lasa mitera-doza izany  fitondran-tena izany. Na izany  aza, nihena ny isan’ny olona naiditra teny amin’ny sampana famelomanan’aina eny amin’ny HJRA raha oharina ny tamin’ny taona 2015 izay 264 raha 142 kosa izany ny faran-taona 2016 lasa teo. Ratra nateraky ny ady an-dàlambe, lozam-pifamoivoizana, toaka be loatra ary ny famonoan-tena avokoa matetika ireo tarehimarika ireo. Raha ny eo anivon’ny « urgence médicale » izay mikirakira ny olona marary noho ny poizina nentin’ny tsy fahatsiarovan-tena noho ny fibobohana alikaoa dia nahatratra 26 ny isan’ny olona tonga nanatona tao. Ny sivy amin’izany dia toran’ny toaka, telo namono tena.

Taom-baovao. Ho an’ny voalohan’ny taona indray kosa, talohan’ny tamin’ny efatra ora tolakandro izay nandalovanay teny an-toerana,dia olona 82 no efa naiditra hopitaly, isa izay heverina mbola hitombo hatrany amin’n 200 any ho any mandrampahatongan’ny maraina, raha ny fanamarihan’ny mpitsabo. Raha araky ny nambaran’ i Dokotera Yves Raveloson, mpitsabo mpitarika ny ekipa niasa nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao, dia manomboka amin’ny 6 ora hariva vao tena mihamaro ny olona tonga hotsaboina rehefa fety tahaka izao. Olona iray no fantara fa maty kanefa tsy nandalo tao amin’ny hopitaly fa nivily lalana vao hita fa efa tsy nisy aina intsony izy. Tsara ho marihina fa ny 32 tamin’ireo nentina teny amin’ny hopitaly dia naratra vokatr’ilay lozam-pifamoivoizana teny By-Pass omaly maraina (jereo ny lahatsoratra etsy ankila). Ny valo indray dia vokatry ny loza amin’ny fitondrana moto izay nihanitombo isan-taona. Tsy latsaky ny roa isam-bolana no namoy ny ainy noho izany. Tsy nilaozan’izay tsy nisy loza nitranga izany teto Andreniovohitra tamin’iny faran’ny taona iny.

Kanto R. (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici