Nangidy tamin’ireto tokantrano niisa 50 tao amin’ny Cite Haras P/elle 11/31 Toamasina ny zava-nanjo azy ireo ny alin’ny alahady 1 janoary teo tokony tamin’ny 11ora sy sasany alina teo. Raha reraky ny fetin’ny asaramanitra noho ny fahatrarana ny taona vaovao, sy natory niatrehana ny asa aman-draharaha ny alatsinainy dia hatairana ny azy ireo fa afo niredareda no nandevona ny fananan’izy ireo.
Araka ny fanazavan’ireo niharam-boana dia trano iray tsy manana jiro herinaratra ka nampiasa labozia no niavian’ny afo. Nirevy izy telo nandritra izany, ka rehefa niakatra ny alikaola dia resin-tory izy ireo nefa hadinony ny namono ilay labozia, ka niteraka izao hain-trano goavana izao izay nandevona trano niisa 50 be izao nandritra izany ary nahatra-boina olona manodidina ny 300, izay mpivarotra sy mpanao asa tena avokoa ny ankamaroany. Ny andro rahateo maina sy nisy rivotra teto Toamasina ny alahady alina nifoha ny alatsinainy omaly. Tonga ara-potoana ny mpamonjy voin’ny kaominina saingy noho ny ankamaroan’ny trano mora mirehitra, satria vita amin’ny ravim-pontsy sy volontsangana ary hazo ny, dia efa tamin’ny 2 ora maraina vao voafety tanteraka tsy nitatra intsony ny afo. Raha ny fanazavan’ny filoham-pokontany ao amin’ny Cite Haras atsimo P/elle 11/31, Atoa Rakotonandrasana Jean Paul, dia resaka tsy fitandreman’olona iray no niteraka zava-doza tamin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao, nefa mba tsy hisian’ny fanararaotana ataon’olona sasany amin’ny fakana an-keriny ny tanin’olona may fananana tamin’izao hain-trano izao, dia horaisina tsirairay ny anaran’ireo tra-boina ireo.
Ankoatra izay dia tsy sambany nahazo ity toerana may ny alahady nifoha ny alatsinainy teo ity izao trangana hain-trano goavana izao. Manamora ny fitaran’ny hain-trano koa anefa ireo trano mifanety sy tsy manaraka lalàna, ary vita avy amin’ny fitaovana mora mirehitra. Ny taona 2008 dia efa nitrangana hain-trano goavana ity toerana ity ary trano 500 be izao no may kila forehitra tamin’izany, ka tsena sy fivarotana ary fanaovana asa tanana avokoa no levon’ny afo tamin’izay…
Malala Didier