Vetivety dia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny sary. Lehilahy iray manodidina ny 50 taona no tonga teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato. Ny fikasany dia ny hiala ny tanindrazana ary hizotra ho any Amerika. Dia nilahatra soa aman-tsara toa ny olon-drehetra haka zotram-piaramanidina ary rehefa tonga teo aminy dia nilaza ny anton-diany amin’izay izy. “Voaroaka teto Madagasikara aho ary handeha hody any Amerika” raha araka ny heno tamin’ny horonan-tsary izay niparitaka. Nahavariana ireo mpiasa teo amin’ny “comptoir” izany ary nahatonga azy ireo nanadihady kely. Ny antony dia tsy nisy afa-tsy izy vata-tenany no teo Ivato. Tsy nisy na taratasy iray akory aza, raha araka ny fanamarihana. Dia nilaza izy fa tsy maintsy hody any amin’ny tanindrazany any Amerika satria noroahina teto Madagasikara. Tao ny variana tamin’ny fihetsik’ity rangahy ity ka nilaza azy ho marary saina. Tao koa anefa ireo ontsa tanteraka satria mariky ny fahatran’ny firenena ny zava-misy toa izao. Tsy tantiny intsony ny miaina eto Madagasikara ary nitady izay fomba mba hialàna eto izy, tsy nisy afa-tsy ny amin’ny maha-olombelona azy anefa no nampiasainy. Saika nihodidina tamin’izany ny fijerin’ny sasany amin’ireo mpampiasa tambajotra sosialy. Amin’ny ankapobeny izany dia hita soritra eny amin’ny seranam-piaramanidina ihany koa ny taratry ny vesatry ny fiainana hita eo amin’ny fiaraha-monina.
D.R