- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversVoadona tetsy Mahazoarivo : Tsy mbola hita ihany i Tohavina hatramin’izao

Voadona tetsy Mahazoarivo : Tsy mbola hita ihany i Tohavina hatramin’izao

Sivy andro aty aoriana, tsy fantatra na maty na velona…

Sivy andro katroka androany no nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana tetsy Mahazoarivo. Nisy ny niantso zandary tamin’io fotoana io (26 desambra, tokony ho tamin’ny fito ora alina) fa voadona ary naratra mafy ny tovolahy 19 taona, antsoina hoe Tohavina Ratsimbazafy. Rehefa tonga teny ny mpitandro ny filaminana dia nahafantatra fa nampidirina tao anatin’ilay fiara izay nandona azy ny naratra. Raha ny tokony hoizy izany dia nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana izay matetika etsy amin’ny Hjra na etsy amin’ny Homi raha eto an-drenivohitra. Nandre ny zava-nisy ny fianakaviana, mitovy amin’ireo mpitandro ny filaminana ihany, dia nandeha teny amin’ny hopitaly. Akory anefa ny hagagàna teo satria tsy nisy nahitàna azy mihitsy na koa firaiketana fa nandalo notsaboina tao izy, tamin’ny toeram-pitsaboana rehetra teto an-drenivohitra. Nandalovana ihany koa ny tranom-paty saingy nandamoaka hatrany. Nanomboka teo no nametraka ny fitarainana teny amin’ny mpitandro ny filaminana ny ray aman-drenin’ilay tovolahy. Nanao antso avo ihany koa izy ireo  ho an’ny olon-tsotra mba hanampy amin’ny fikarohana an-janany avy amin’ny alàlan’ny fanomezam-baovao amin’ny laharana 0348540044/0326849281. Kosa satria mbola tsy hita I Tohavina hatramin’izao dia manavao izany antso avo izany izy ireo. Inona ny tena zava-nitranga? Nentina aiza ity tovolahy ity ary natao inona? Iza no tompon’andraikitra tamin’ny zava-nanjo azy? Handrasana tanteraka ny fanampian’izay mety manam-baovao satria hatramin’izao dia tsy misy zavatra mazava, raha araka ny fanazavan’ny ray aman-drenin’i Tohavina Ratsimbazafy, na ny tena zava-nisy na koa izay mety rehetra ao ambadik’izany. Mbola mitohy hatrany ny fikarohana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici