#-Ambohibao. Ankizy 5 taona, maty nianjeran’ny tamboho. Ankizilahy kely iray vao 5 taona monja no namoy ny ainy rehefa nianjeran’ny tamboho, vokatry ny ora-mikija, omaly maraina teny amin’iny faritra Ambohibao iny. Araka ny fanazavana azo dia telo izy ireo no nilalao teo akaikina tamboho iray, nisy vavahady vy. Efa somary malemy ilay tamboho ka noho ny vonton’ny ora dia tsy nahaza ilay vahavahady intsony ary nianjera. Voantsindrin’ny « beton » sy ny vato, tao ambany ity ankizy ity ary namoy ny ainy. Afa-niala kosa iretsy namany.
#-Maevatanana. Mpangalatra lakolosy efa-dahy voasambotra. Mpangalatra lakolosy iray no tratran’ny zandary am-bodiomby, tany Maevatanana ny faran’ny herinandro teo. Nanondro ny namany ity farany ka nisy telo voasambotra. Mbola misy hafa nitsoaka moa ka mbola tadiavina amin’izao. Efa samy natolotra ny Fampanoavana ireto mpangalatra lakolosy ireto.
#-Mahajanga. Mpivarotra finday, maty voatsatotsaka antsy. Tovolahy iray 25 taona, mpivarotra finday no hita faty, omaly maraina, tao Mangarivotra Mahajanga. Novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina ity farany, satria dia dian’antsy telo no teny aminy, nentina naningorana ny ainy. Tsy fantatra kosa ireo nahavanon-doza. Misokatra ny fanadihadiana.
Nangonin’i m.L