Ny voalohan’ny volana janoary 2017 tokony tany amin’ny 3 ora hariva tany ho any no nisehoan’ny loza mahatsiravina teto Ambohimasina Ambatondrazaka ,fiarakaretsaka iray no nifandona tamin’ny moto iray ka ilay olona roa nitaingina ilay moto no naratra mafy ka tsimaintsy nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana izay efa tsy hatahorana ny ainy amin’izao fotoana izao, potika tsy nisy azo noraisina ilay moto ,fa ilay fiara kosa dia rotika ny teo anoloana. Araka ny fanazavan’ireo nahita dia samy nandeha mafy izy ireo ary teo amin’ny làlana mahitsy teo amin’ny fokotany Ambohimasina, tsy lavitra teo ihany koa fa fiaran’olontsotra saika handeha hitsangatsangana no avy hatrany dia nivarina tao anaty hady manoloanan’ny fiantsonan’ny fiarakodia Ambalabako ,izay tsy nisy ny naratra .Nilamina tanteraka ny fankalazana ny noely sy ny fitsenana ny taona vaovao teto amin’ny renivohitry, fa fianakaviana iray no tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo ary efa eny amin’ny tobim-pahasalamana izy ireo izay tsy misy hatahorana intsony . Fa ny teo amin’ny lanonana faran’ny taona kosa dia anisan’ny nampalahelo ny vahoaka ny tsy nanaovan’ny teny anivon’ny faritra « bal populaire « intsony na dia maro aza ny vahoaka tonga teo amin’ny toerana malalaka teo amin’ny Jovenah izay fanaovana lanonana
Janus