Araky ny efa notaterina teto omaly mikasika ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tao ilempona ny harivan’ny Alatsinainy 2 janoary 2017 teo dia fantatra izao fa tafakatra 7 no maty ary mbola miady amin’ny fahafatesana ny marary sasany. Voalaza fa saika mpihavana avokoa ny ankamaroan’ny mpandeha rehetra tao anatin’ilay fiara Sprinter avy any Fandriana. Raha ny angom-baovao dia tsy mbola feno io fiara io niainga tany Fandriana ka nameno olona teto Antsirabe. Ny hafangainam-pandeha no nambaran’ny nanatry maso fa niteraka ny loza, iaraha-mahalala raheteo eo amin’io lalana afaka ny tetezana mandikanamana io fa matetika no hitrangana loza ary saika hamoizana ain’olona hatrany, manginy fotsiny ny fahasimban’ny fiara. Nisy tamin’ireo mpandeha ihany no nilaza tamin’ny mpamily mba henena ny hafangainam-pandeha saingy tsy nahoan’ity farany izany. Vokany io nifandona tamina kamiao lehibe iray io ka izao nieteraka fahavoazana be izao sy namoizana aina. Nanano-sarotra ihany ny fitondrana ireo naratra hamonjy toeram-pitsaboana satria saika tsy nisy nety nijanona ireo fiara nosakanana araky ny vaovao voaray, fihetsika izay nampalehelo satria olona efa miady amin’ny fahafatesana avokoa ireo naratra. Isan’ireo namoy ny ainy tonga tao amin’ny hopitaly Andranomadio Antsirabe ny fianakaviana kely iray telo mianaka. Tsy nisy tana avokoa ny ain’izy ireo, ilay ramatoa nezahina notsaboina tao Antanifotsy niaraka tamina vehivavy iray hafa saingy tsy nisy avotra avokoa izy ireo. Ilay zanany vavy kosa izay tokony ho 11 taona eo ho eo vao tonga minitra vitsy tao amin’ny hopitaly Andranomadio dia namoy ny ainy . Fotoana fohy taorian’io dia maty koa ny ilay rangahy rainy izay voalaza fa miaramila izy io. Ankoatra azy ireo dia zaza mena vava vao 8 volana monja no maty fotoana fohy nahatongavany teto Antsirabe. Re ihany koa fa tsy tana intsony ny ain’ilay mpamily ny fiara Sprinter rehefa nialana nenina tao Antananarivo. Hatramin’ny niantombohan’ny taona vaovao izao dia saika nilatsaka hatrany ny orana, malama ny lalana, efa mihasimba rahateo iny RN7 Antsirabe-Antananarivo iny ka mila mailo sy mitandrina ny mpampiasa lalana mba hialana ny loza toy izao.
Andry N.