- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversZandary novonoina tany Mananjary : Ampanjaka sy Ben’ny tanàna ary olona 14...

Zandary novonoina tany Mananjary : Ampanjaka sy Ben’ny tanàna ary olona 14 atolotra ny Fampanoavana

Vono olona niniana natao, fikasàna hamono olona, fanimbàna tranom-panjakana … Ireo no  vesatra iampangana ireo olona 16 voasambotra tamin’ilay raharaha niseho tany Namorona Mananjary, ny herinandro lasa teo. Savorovoro, raha tsiahivina ihany dia niafara tamin’ny famoizana zandary iray, « chef de poste » sy nandratrana ny mpiara-miasa taminy. Amin’ireo olona 16 ireo dia nisongadina tao anatin’izany ny fisiana Ben’ny tanàna sy Ampanjaka, araka ny vaovao avy any an-toerana hatrany. Marihana fa raha ny siosion-dresaka tany an-toerana dia toa hoe ireto tompon’andraikitra ireto no nitaona sy somary nanery an-kolaka ny fokonolona, hitaky ilay olona notazomina tao amin’ny biraon’ny zandary hatao fitsaram-bahoaka. Ny tsy fahitàna izany olona izany tao amin’ny zandary intsony moa no nitarika ny hatezeram-bahoaka ka nifatratra tany amin’ireo mpitandro filaminana roalahy mpiandry birao. Tsy navelan’ireto vahoaka nentin-katezerana raha tsy namoy ny ainy, tamin’ny alalan’ny tora-bato sy daroka ny GP2 Fanambina Marcellin, Sefon’ilay birao. Toraka izany ihany koa ny mpiara-miasa taminy. Saingy nisy tamin’ireo fokonolona no nitsivalana tamin’ny fandatsahana aina roa be izao. Na izany na tsy izany anefa dia naratra mafy ihany ity zandary ity. Namela mananontena sy kamboty roalahy ity zandary namoy ny ainy ity, izay marihana fa efa voalevina tany amin’ny tanindrazany tany Betroka, tamin’ity herinandro ity. Isan’ny tranga mampalahelo sy « tsy zakan’ireo rahalahiny zandary ny tranga toy izao », hany ka fotoana vitsy taorian’ilay savorovoro dia an-jatony ireo zandary tonga tany an-toerana, nikaroka ireo olona nahavita nandatsaka aina mpitandro filaminana toy izao. Nanantanteraka ny fanadihadiana sy famotorana, izay niafara tamin’ny fisamborana sy fitazomana ireto olona 16, izay noahiahiana ho nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana ireto. 17 taona no zandriny indrindra amin’izy ireo ary 63 taona kosa no zokiny indrindra. Hatolotra tsy ho ela ny Fampanoavana ireto olona ireto. Ny Fitsaràna ao Mananjary no nanolorana ny raharaha, saingy raha ny fantatra dia misy ny fiaraha-miasa amin’ny Tribonaly ao Fianarantsoa. Izany dia ho fitsinjovana ihany koa ny filaminana. Andrasana ny tohiny araka izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici