- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversNanisana : Dimy lahy misaron-tava nanafika mpanao gazety

Nanisana : Dimy lahy misaron-tava nanafika mpanao gazety

Misy hidiran’ny maha-mpanao gazety azy ve ilay fanafihana? Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana. Dimy lahy mitam-basy no nanafika mpanao gazety tao an-tranony tetsy Nanisana ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Nitondra sabatra tsirairay avy ireo olon-dratsy ary nopitsohina ny varavarana. Vao tafatsofoka dia avy hatrany dia nasaina niankohoka tamin’ny tany. Nalaina ny solosaina azo entina mandehandeha, ny solosaina fampiasa amin’ny birao, ny karatra rehetra ary ny vola hita teny aminy. Lasa ihany koa ny fitaovana fampiasa amin’ny asa fanaovan-gazety, toa ny fakan-tsary sy ny caméra. Nandritry ny 15 minitra teo no nisehoan’izany fanafihana izany. Misy fanadihadiana izay mbola tsy vita hatramin’ny farany, mahakasika ny tontolo iainana sy ny trafika isan-karazany tao anatin’ireo solosaina. Misy hifandraisany amin’izay ve ilay fanafihana? Indrindra koa raha manao saron-tava ireo jiolahy, izany hoe mety olona mety fantatry ny voatafika ihany ny sasany. Arahina ny fivoaran’ny fanadihadiana izay nosokafany pôlisy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici