Omaly hariva no niakatra fitsarana ilay olona nisandoka ho DRH eo anivon’ny ministeran’ny fanabezam-pirenena. Voaheloka higadra dimy taona sazy mihatra ity voampanga miampy lamandy 5.000.000 ariary. Nampalaza azy ny fahaizany manafaingana ny fampidirana ireo mpampianatra fram ho mpiasam-panjakana ka maro no roboka. An’hetsiny ny vola no efa lasany tamin’ny fanambakana nataony ka antony nahamaro ireo mpitory. Taorinan’ny fampahafantarana an-gazety ity raharaha ity mantsy dia tsy nitsaha-nitombo ny isan’ireo no nametraka fitoriana sy nanamafy ny fitarainana efa napetraka teo aloha. Raha tsiahivina dia tamin’ny 23 desambra no voasambotry ny brigady BC5 Anosy teny Ambohitrimanjaka ity mpisandoka ity.
Kanto R. (Stagiaire)