Masiaka ny voay amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra fiakaran’ny rano izao, ka tsy mamela ireo mamba noana. Afak’omaly, ankizivavy iray manodidina ny folo taona no lanin’ny voay rehefa nisasa tsy nanana ahiahy tao amin’ny reniranon’i Onilahy, any amin’ny kaominina ambanivohitry Tongobory, Distrikan’i Betioka Atsimo. Niezaka namonjy an’ity zazavavy ity ihany ireo olona teo amin’ny manodidina, kanefa tsy namelan’ilay voay ilay zaza fa narapany, ary namoy ny ainy. Raha araka ny vaovao voaray, dia tsy nanam-po na inona na inona ilay zaza nisasa teo amin’io rano io. Ilay biby nipoitra tampoka avy ao anaty rano ary nandrapaka ny tongony no nampikiaka mafy azy, ka io no nanaitra ny olona. Raha ny fanazavana voaray ,dia efa fantatry ny iray tanàna ny fisian’ny voay ao amin’io renirano io, saingy efa fahazarana ho an’ny mponina ny fahitana an’izany, ka misy ireo tsy misalasala akory mandro eo. Rehefa tonga tokoa ny tsy ampoizina dia patsa iray tsy omby vava.
Eric Manitrisa