Olona enina izay voarohirohy ho nikasa hanondrana zana-tsokatra an-tsokotsoko no naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy niakatra fitsarana tao Ambovombe Androy, ny fiandohan’ity herinandro ity. Tany amin’ny Fokontany Lavanono, Kaominina Tranovao any amin’ny distrikan’i Beloha no fantatra fa nakan’ireto mpanao trafika sokatra ireto ireo zana-tsokatra maromaro. Saika hafatratra tao anaty fiara ireto biby arovana ireto no tra-tehaky ny fokonolona teo an-tanàna, ny herinandro lasa teo iny, ary ireto farany avy eo no nampandre ny mpitandro filaminana, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa