Toy ny mahazatra dia tsy ny taratasy fitarainana na koa fampandrenesana ny mpitandro ny filaminana, avy amin’ny fianakaviana. Na izany aza anefa dia nanapa-kevitra ny sampana misahana ny heloka bevava ny nanokatra ny fanadihadiana mifanandrify amin’izy ireo. Izany dia mahakasika ny fakàna an-keriny ny teratany indopakistanais izay tompon’ny orinasa Caromad etsy Ankadimbahoaka. Ny harivan’ny talata teo no nitrangan’izany ary tsy taiza fa teo ivelan’ilay orinasa ihany. Tsy mbola maizin’andro akory satria mbola tamin’ny enina ora latsaka no niseho ilay heloka bevava. Dimy lahy nitondra fiara ary nitam-basy no nanatontosa an’izany, raha araka ny vaovao heno. Ny fijerena ny horonan-tsary noraketin’ny « vidéo-surveillance » no mety afaka hanamarinana bebe kokoa ny fizotran’ilay fakana an-keriny. Isan’ny vaovao fantatra mahakasika ity karàna ity ny fananany mpiambina roa mitam-basy. Mpitandro ny filaminana izay manana fiofanana manokana momba an’izany mihitsy aza no miandraikitra ny fiarovana ny ainy ary andro aman’alina izany. Isan’ny mifantoka amin’izany ny fanadihadiana izay mandeha amin’izao fotoana izao etsy Anosy, eo anivon’ny polisy miandraikitra ny raharaha heloka bevava. Ahoana no mbola nahavitàn’ny jiolahy nanafika ihany na dia teo aza izany? Isan’ny fanontaniana mipetraka izany. Ny tsy fisian’ny fampitam-baovaon’ny fianakaviana koa amin’ny lafiny iray, dia manasarotra ny fikaroham-baovao. Ankoatr’izay dia fantatra fa re fa fanindroany no efa nisy naka an-keriny io karàna io. Ny voalohany dia tamin’ny fahavelon-dry Mahandry sy ny ekipany no nitranga. Vola an-jatony tapitrisa maro no azon’ny jiolahy tamin’izany fotoana. Izany fahavoazana izany no heverina fa nitarika ity karàna ity ny hanakarama mpitandro ny filaminana matihanina amin’ny fiambenana, mba ho fiarovana ny ainy. Saingy toa mbola nandamoka ihany izany. Arahina ny fivoaran’ny raharaha.
D.R