- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo : Nopotehin’ny olona ny fiaran’ny polisy

Analanjirofo : Nopotehin’ny olona ny fiaran’ny polisy

Ny alarobia lasa teo dia polisy efatra hanatanteraka didim-pitsarana any Fenoarivo- Atsinana no saika matin’ny olona. Tsy nanaiky ny didy navoaka ny fokonolona ka ireto polisy indray no niharan’ny hatezeran”izy ireo. Polisy iray no naratra vokatr’izany. Nahitana fahasimbana ihany koa ny fiara nentin’izy ireo: niala ny rivotry ny kodiarana, vaky ny fitaratry ny fiara. Tsy niandry fotsiny anefa ireto polisy fa niantso avy hatrany ny avy ao amin’ny zandarimaria Mananara avaratra. Namaly ny antso ny “commissaire de police” ka nidina avy hatrany nijery ny zava-misy. Ilay polisy  naratra kosa dia efa nalefa vedety hotsaboina any amin’ny hopitaly eny an-toerana ihany. Mbola fitsaram-bahoaka ihany, olona efatra no matin’ny fitsaram-bahoaka ary mbola tany Analanjirofo ihany koa no nitrangan’izany, tao amin’ny kaominina ambanivohitra antsoina hoe Ampasina Maningory. Tondro molotra fotsiny dia efa voahodidina olona ny trano nisy ireo olona. Raha araka ny fantatra dia nisy fanafihana mitam-piadiana tao an-toerana ary nisy olona nahita ny tarehin’ireo jiolahy. Dia narahina tokoa ary rehefa hita ny trano nidiran’ny iray tamn’ireo dia avy hatrany dia raikitra ny fitsaram-bahoaka. Novonoina hatramin’ny tompon-trano. Mirongatra ny fitsaram-bahoaka ary porofo mivaingana amin’izany ireo tranga roa nifanesy tao Analanjirofo ireto.

Kanto/D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici