
Vao maraim-be dia feona fiara naneno mafy narahina dona no nanaitra ny mponina tany amin’iny faritra Andranomena iny. Tsitapitapitr’izay dia feno olona ny arabe. Omaly tamin’ny 6 ora maraina dia nitrangana lozam-pifamoivozana teo amin’ny tanàna iray antsoina hoe Amboavahy, ao amin’ny fokontany Andranomena. Taxi-be iray ao amin’ny zotra 159 nivoaka nanao “marche arrière” avy ao amin’ny garage no niandohan’ny loza. Rehafa nivoaka io fiara io dia nisy taxi-be 114 iray avy any Ambohimanarina, tsy nijanona fa nikasa hisongona ilay iray voalohany. Teo indrindra no nifanena tamina taxi-be 194 ho any Andravoahangy; nifampikasoka ihany ireo fiara ireo saingy tsy tafajanona ity farany, izay heverina fa nandeha mafy. Niezaka niala ilay lavaka be teo alohany ilay mpamily kanefa dia izao nifatratra tany amin’ny tambohon’ny fiangonana advantista Ambohidroa, izay nahitana fahasimbana kely, ary dia izao nivadika ambony ambany izao. Tsy nisy ny aina nafoy fa olona roa no fantatra fa naratra mafy ary efa nentina avy hatrany any amin’ny hopitaly ary araka ny nolazain’i Andry mpanampy ny mpamily hatrany dia taxi-be avy ao amin’ny cooperative Mirindra ihany no nitondra ny mpamily sy ireo olona naratra any amin’ny hopitaly. Tsy nahitana fahasimbana teo amin’ireo fiara roa voalohany saingy ilay taxi-be nivadika kosa no simba tanteraka ny lohany.
Ankoatra ireo naratra mafy dia nisy ihany koa ireo nahitana ratra teo amin’ny vatany, saingy nisafidy ny hijanona teo an-toerana ihany. Mpandeha iray ho any Andravoahangy ndeha hiasa maraina no tafaresaka taminay, ka nitantara ny fizotry ny loza: “ somary nandeha mafy ihany izahay satria mbola maraina moa ary mbola nalalaka tsara ny lalana. Nahita ilay 159 efa ho tafavoaka tanteraka izahay, sy ilay fiara sprinter mankany Ambatolampy nisongona. Niezaka niala, satria nisy nalalaka ihany teo, saingy nahita ilay lavaka be indray ilay mpamily dia tsy nahatana ny familiana intsony. Ramatoa iray teo amin’ny farany aoriana, seza faharoa, no naratra mafy, satria voatsindrin’ireo gony teo izy ary voahitsaka koa satria samy maika hanavotra ny ainy ny mpandeha, hoy hatrany i Riana Olivia R. nitantara. “ mbola tsy nahateny firy moa izy noho ny fahatairana tampoka nateraky ny loza.
Mamy