- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Taxi-brousse voatafika, vola telo tapitrisa latsaka lasan’ny jiolahy

Ankazobe : Taxi-brousse voatafika, vola telo tapitrisa latsaka lasan’ny jiolahy

Miverina indray ny fanakan-dàlana amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Ny sabotsy lasa teo, taxi-brousse iray avy any Avaratra no lasibatra. Jiolahy 11 no nanakana ity fiara fitateram-bahoaka ity. Lasa tamin’izany ny vola manodidina ny telo tapitrisa ariary teo ho eo, miampy ireo entana sy fitaovana ary firavaka sarobidin’ireo mpandeha. Ny alina no nisehoan’ity fanafihana ity, rehefa nosakanan’ireo olon-dratsy tamin’ny vatobe ny arabe. Vantany vao tafajanona ilay fiara dia basy avy hatrany no nentin’ireo  andian-jiolahy nandrahonana ilay mpamily. Nanaiky mora ihany koa ity farany. Basy izao ve moa no manoloana azy. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nodarohan’ireo olon-dratsy ny tenany. Ireo olon-dratsy hatreo no nifehy tanteraka ilay fiara. Nentin’izy ireo niala lavitra ilay toerana ity taxi-brousse, ary kilaometatra vitsivitsy tany aloha vao norobainy avokoa ireo mpandeha rehetra, raha ny fampitam-baovao. Nosavaina tsirairay mihitsy ireo mpandeha am-polony tao anatin’ilay fiara, ka nahazoan’izy ireo volabe sy entana sarobidy maromaro ireo. Nitsoaka avy hatrany izy ireo vantany vao azony izay nilaina, ary taorian’izay vao nisy afaka niantso vonjy. Tonga tany an-toerana ny mpitandro filaminana nanao savahao ny manodidina, saingy efa nanjavona nafenin’ny alina ireo andian-jiolahy. Efa mandeha moa amin’izao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici