Mpitondra môtô iray indray no namoy ny ainy teny amin’iny lalam-baovao mizotra mankany Namontana iny omaly hariva, rehefa nifandona tamina fiara ny môtô nentin’ity lehilahy ity. Olona roa izy ireo no teny ambonin’ilay kodiaran-droa. Ilay nitondra no namoy ny ainy teo ho no eo, raha naratra mafy kosa ilay nentiny, araka ny fitantaran’ireo olona teny an-toerana. Handeha hizotra ho aty Anosibe ny fitodiky ny môtô nentin’izy ireo. Ary araka ny filazan’ireo nanatri-maso hatrany dia nandeha mafy dia mafy izy ireo, kanefa toa efa nivilambilana ihany. Efa nisy olona iray saika voadonan’izy ireo tamin’izany. Nahay niala ihany anefa ilay mpitondra saingy tsy voatana intsony familiana ary dia niafara tany ambanina fiara « sprinter » ny môtô nentin’izy ireo. Teo amin’ny lohan’ity mpitondra scooter ity no voa mafy tamin’ilay dona. Nandriaka avy hatrany ny rà teny an-toerana. Nezahin’ireo olona nahita novonjena ihany, saingy indrisy, fa efa tsy izy intsony. Nentin’ilay fiara nandona tany amin’ny hôpitaly kosa ilay namany niaraka taminy, izay mbola miady aman’aina, raha ny fantatra hatrany.
Nangonin’i m.L