Niharan-doza tamin’iny lalam-pirenena faharoa, tao Antongombato, kilaometatra maro tsy hidirana an’i Moramanga, ny fiara nitondra ny Filoha lefitry ny Oniversiten’i Toamasina, omaly. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nifandona tamina kamiô lehibe iray « semi-remorque » ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy sy ny vady aman-janany. Handeha hiakatra aty Andrenivohitra izy mianakavy kely ireto no izao tra-doza izao. Ilay fiarabe kosa handeha hiatsinanana. Araka ny fampitam-baovao azo, dia somary nangalatra làlana ilay kamiô nifanena tamin’izy ireo rehefa niditra fiolahana. Tsy afaka nivily lalana intsony anefa ilay fiara nentin’ity Profesora tamin’izay fotoana izay, hany ka tsy azo nihodivirana ny loza. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara kely teo anatrehan’ny dona nahazo azy. Samy naratra avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatin’ilay fiara, saingy raha ny fampitam-baovao dia ity Sojaben’ny sampam-pampianarana fitsaboana ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina ity no tena voa mafy. Torana tsy nahatsiaro tena ny tenany, teo am-pisokirana azy tao anatin’ilay fiara potika. Efa nentina notsaboina any amin’ny hôpitaly avokoa moa ireo naratra vokatr’ity loza ity. Tonga teny an-toerana kosa ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny, nanao ny fizahana ifotony.
m.L