Nolazain’ity rangahy iray fa nangalatra ny mananasiny ireto tovovavy roa ireto ka naolany. Vao naheno izany ny fokonolona avy hatrany dia nirohotra hisambotra ity voatondro. Notazonin’izy ireo avy hatrany ilay rangahy nahavanon-doza ka nohidiny tao amin’ny biraom- pokontany miandry ny saziny. Tsy nanaiky anefa ny olona sasany ka nitaky ny hamoahana azy hampiharana ny fitsaram-bahoaka. Tsy nanaiky ity fangatahana anefa ny lehiben’ny fokontany. Noho ny fisavorovoroana dia tafatsoaka ity rangahy fa voasambotra kosa ny ampitso maraina be ihany. Raha araka ny fampitam-baovao voarainay, dia ny alarobia lasa teo no nitranga ity raharaha ity.Tamin’ny valo ora maraina dia tovovavy 17 taona sy 15 taona nandeha nioty ny mananasiny no tratran’ity rangahy ka nendrikendrehany ho naka ny azy ihany koa. Nambanany antsibe izy roa vavy ka notereny hanaraka azy any anaty ala. Nony tonga teny an-toerana dia nasesiny naolana ireto tsy manan-tsiny izay tsy afaka nanohitra akory. Ny mitatao vovonana vao tonga tany an-tranon -dray aman-dreniny vao afaka nitantara ny zavatra nahazo azy izy roa vavy. Nitombo ny hatezeran’ny mponina taorinan’ny fitsoahany ka tsy maintsy nandray an-tànana ny raharaha ny ben’ny tanàna teny an- toerana. Niantso ny borigady avy hatrany ka izy ireo no nitondra ity rangahy nanaovana famotorana. Raha tsy nisy manampahefana tonga ara-potoana, dia efa matin’ny fokonolona indray ity mpanolana ity.
Articles qui pourraient vous intéresser