Tranga iray fahatelo no niseho ka hitan’ny olona teny anaty rano ny Alatsinainy 9 janoary tokony tamin’ny 5 ora maraina teo. Tovolahy manodidina ny 25taona eo izy io, mipetraka eny Antanambao Sotema. Raha ny fantatra dia mpilalao irony atao hoe « moraingy » irony io tovolahy io fantatra amin’ny anarana hoe Flavien na i Lalavy. Avy nanao izany lalao izany indrindra izy ny Alahady hariva teo ka nibata ny fandresena tamina fifaninanana iray izay natao teny amin’ny cité Tsaramandroso. Ny harivan’io andro io rehefa avy nanatitra ny vola sy ny lokany tany amin’ny vady aman-janany izy no nambaran’ireo fianakavina fa nivoka ny trano fa hoe misy nanafatra. Tokony tamin’ny 9 ora alina io ary tsy niverina intsony izy. Ny fokonolona no nahatsikaritra ny fahitana io razana io teny amin’ny manodidina teny Sotema ihany, saika efa rovitra avokoa ny akanjony ary nihohoka tao anaty rano ny lohany. Tranga iray faharoa no niseho ny asabotsy lasa teo. Mbola valifaty ihany koa raha ny fitantaran’ireo fianakavina no nahafaty ilay tovolahy iray satria ny sakaizany izay manambady vazaha no niantso azy tany an-tranony. Akory ny hatairan’ireo fianakavina raha nantsoin’ilay vehivavy avy eo fa hoe « torana ao an-tranoko ny zanakareo ka tokony hoentina any amin’ny hopitaly ». Indrisy moa fa na dia nentina novonjena tany amin’ny hopitaly aza ilay tovolahy dia nambaran’ireo mpitsabo fa tsy avotra intsony ny ainy. Tranga voalohany kosa ilay niseho tetsy amin’ny fokontany Mangarivotra tamin’ny faha 2 janoary lasa teo iny. Tovolahy iray antsoina hoe Eddy mpivarotra finday etsy amin’ny Vy lava no maty nihosin-drà nisy nahita tokony tamin’ny 5 ora maraina teny anelakelan-trano manakaiky ny fiangonana Jesosy Mamonjy iny. Tsatoka antsy telo no hita teo amin’ny vatany.
Tantely Vandriam