Raikitra ny gidradragidra omaly tetsy Soanierana, tao amin’ny fokontany « III I Hangar », ambadiky ny trano fivarotana lehibe iray, rehefa tsy nanaiky ny fandravàna ny tranony tampotampoka tsy nisy fampilazàna ireo mponina teny an-toerana. Araka ny filazan’izy ireo dia orinasana teratany vahiny iray no milaza fa tompon’ny tany sy mibodo izany. Izy ireo anefa efa ho 40 taona mahery teo no nanajary sy nipetraka teo amin’ity tany ity. Na dia teo aza anefa ny fanakanan’ireo mponina dia tsy maintsy niroso tamin’ny fandravana ireo olona efa vonona ny hanantanteraka izany. Ireto farany moa dia narahana vadintany sy mpitandro filaminana. Raha ny fantatra hatrany mantsy dia efa nandalo fitsaràna ity resaka ity ary resin’ireto tonga handrava trano ireto ny mpiady taminy. Tonga hanatanteraka izany didim-pitsaràna izany ireto, ka tsy maintsy ravàna ao anatin’ny 48 ora ireo trano miorina eo amin’ilay tany. Ny siosion-dresaka teny an-toerana mantsy dia toa hoe efa nisy nivarotra tamin’ity orinasa ity io tany io, ary ny tompon’andraikitry tanàna eo an-toerana no tondroin’izy ireo ho mpiray tendro amin’izany. Tsy nanaiky hatramin’ny farany ny fandravàna ny tranony moa ireo fianakaviana am-polony maro ka raikitra ny sakoroka teo amin’ireo mpandrava sy ireo rava trano. Voatery nandray fepetra nifanandrify tamin’izay ireo mpitandro filaminana, ary tonga hatramin’ny fampiasàna hery mihitsy izany, raha ny filazan’ireo mponina hatrany. Tamin’izay no fantatra fa nisy olona roa naratra tao anatin’ireo rava trano. Raha atotaly dia trano miisa eo amin’ny 16 tafo eo no rava, ary fianakaviana maherin’ny 50 no tsy manan-kialofana. Nilamindamina ihany teny an-toerana nony farany. Na izany na tsy izany anefa dia mbola fanontaniana goavam-be mipetraka amin’ireto rava trano ireto ny hoe « ho aiza izy ireo ? »
m.L